Fahasalamana

Fitsaboana ny Coronavirus Nahita vahaolana ny mpikaroka Malagasy ?


  • Alakamisy 26 Martsa 2020

Na dia somary niolankolana firesaka aza ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Ahmad Ahmad dia toa mazava fa efa nahita fanafody hitsaboana ireo mararin'ny

 

 

Coronavirus ireo mpitsabo sy manam-pahaizana, ary teknisianina Malagasy izay nikaon-doha maharitra tamin'ity herinandro ity. Efa misy « Protocole » na fomba fandraisana an-tànana ireo marary ampiasaintsika eny amin'ny Hopitaly Manarapenitra Andohatapenaka sy ny hopitaly eny Anosiala, hoy ny Minisitra. Tsy hilaza ny anarany aho satria manjary manao dokam-barotra momba ilay fanafody, hoy izy, fa ny azo ambara dia hita ho nihatsara ireo marary. « Protocole » efa ampiasan'ireo firenena vitsivitsy nahitana fahombiazana, ampiana ny fahaiza-manao eto an-toerana no ampiasaina raha ny nambaran’io minisitra io, izany hoe: raha halalinina, dia nahita karazana “formule” hoenti-mitsabo ny aretina coronavirus ny Malagasy, saingy tsy atao doka be. Nilaza rahateo io Minisitra io, fa miasa mangina ao anatin’ny fiatrehana izao zava-tsarotra ara-pahasalamana lalovan’ny firenena izao. Irariana ny ho fahombiazan’izany, fa raha io fanazavan’ny minisitra io aloha, dia misy tokin’aina ny hahafaha-mandray an-tànana ny fitsaboana ity areti-mandripaka ity.Nahatafavoaka teny moa ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Ahmad Ahmad io omaly io raha niditra mivantana tao amin’ny TVM avy eny amin’ny CCO COVID 19 Ivato fa mahavita azy anie ny raokandro Malagasy e! Nambarany koa anefa fa manaraka ny fomba fiasa efa nataon’ireo firenena nahavita nifehy ny Coronavirus i Madagasikara.Omaly alarobia ihany koa dia nampahafantatra ry zareo avy eny amin’ny IMRA fa efa misy ny fikarohana ataon’ny manampahaizana sy mpikaroka Malagasy amin’izao fotoana; ka anisan’ny fomba fiasa ao anatin’izany ny famantarana ny fanafody efa nisy sy nampiasaina niadiana tamin’ny Coronavirus, ny fijerena ireo singa nandrafitra azy ireo .Avy eo atambatra ireo fanafody mba hahazoana vokatra tsara kokoa noho ny efa nisy teo aloha.

Mila mailo foana

 Hatreto tokoa aloha dia ny 18 amin’ireo 19 voa dia tsy misy olana be na ahiana ny ainy. Na izany na tsy izany, dia mampihoro-koditra ny mandre any amin’ny firenen-kafa hoe : misy mahatratra hatrany amin’ny 400 hatramin’ny 800 ny maty ao anatin’ny iray andro. Ny taham-pahafatesana amin’ny ankampobeny amin’ny Coronavirus anefa, dia ny 2 hatramin’ny 4% isan-jato no mamoy ny ainy, ary ireo marefo sy tsy ampy hery fiarovana no tena lasibatra. Tsy midika izany fa izay voa dia maty avokoa. Na izany aza dia tokony hitandrina mandrakariva, ary manaraka ny toromarika satria mahery vaika matoa mandripaka olona maneran-tany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT