Fahasalamana

Fitsaboana ny aretin’ny voa Misy ny tetikasa hananganana hopitaly eto Antananarivo


  • Alakamisy 09 Mey 2019

Mihamitombo hatrany amin’izao ireo olona mararin’ny voa eto amintsika. Raha manodidina ny 70 isa eo ho eo ireo mpikambana ao anatin’ny FMIR na ny federasionan’ny marary voa eto Madagasikara,

 

 

dia mbola maro tsy tambo isaina ireo marary eto an-toerana sy any amin’ny faritra tsy fantatra. Amin’ny ankapobeny, mamoy ny ainy tsy fidiny ny ankamaroan’ny marary izay tanora manodidina ny 24 taona avokoa ny ankamaroany raha dimy taona no zandriny indrindra. Mila manana 5 tapitrisa Ar isam-bolana mantsy ny marary iray hanaovana dialyse miaraka amin’ny fanafody isan-karazany sy ny fanaovana analizy raha te ho velona.  Ho an’ireo te hanao grefy ny voany indray na “transplantation” dia tsy maintsy any Inde na Frantsa no hanaovana izany izay handoavana volabe manodidina 80.000 Euros eo ho eo ka tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny marary. Mba ho fanampiana ny Malagasy mararin’ny voa ary dia fantatra fa hisy ny tetikasa hananganana hopitaly hitsaboana izany eto Antananarivo. Hiarahan’ny firenena Indiana amin’ny alalan’ny masoivohony miasa sy monina eto amintsika sy ny fanjakana izany.  Mbola eo am-piketrahana azy ny roa tonta ankehitriny. Raha ny nambaran’ny teo anivon’ny federasiona moa dia mahavita ity fanaovana grefy ny voa ity daholo ireo dokotera eto amintsika saingy ny fitaovana no tsy ampy. Hangatahin’izy ireo ihany koa ny hanokafana ivontoerana fanaovana dyalise ho an’ireo marary any amin’ny faritra.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT