Fahasalamana

Fitsaboana nentim-paharazana Tsy re feo intsony ilay fampanaraham-penitra ny Ed1


  • Alarobia 09 Jona 2021

Ny 19 aprily teo no nampahafantarin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, fa hatao ny dingana rehetra ho fampanaraham-penitra

 

 

 

 ny vokatra Malagasy fitsaboana nentim-paharazana Ed, fantatry ny maro amin’ny hoe Ed1, novokarin’ilay mpitsabo nentim-paharazana, Edmond Rakotomalala. Efa misy karazany hatrany amin’ny 6 moa ny Ed, izany hoe hatramin’ny ED6 tamin’izany. Maro ireo efa mivarotra sy manjifa ny vokatra hatramin’izao eny rehetra eny ary malaza koa anefa ny mety ho fisian’ny hosoka ao anatin’izany. Ny heno farany mikasika ilay hoe fanandramana klinika kosa dia hoe efa vita ny dingana voalohany, raha ny nambaran’ny fikambanamben’ny mpitsabo nentim-paharazana Malagasy na ANTM, tapa-bolana taorian’io 19 aprily io. Taorian’izay dia tsy heno intsony ny mikasika izay fanandramana klinika izay.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT