Fahasalamana

Fitsaboana nentim-paharazana Tafajora ara-dalàna ny FI.TRA.MA


  • Zoma 22 Mey 2020

Mijoro ara-dalana eto amintsika ny Fikambanan’ny Tradisionela Malagasy na ny FI.TRA.MA, miaraka amin’ny mpitsabo nentim-paharazana Rakotondranaivo Jean Pierre sy ny fikambanana HAFARI Malagasy,

 tarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina. Efa nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny prefektioran’ny polisy eto Antananarivo izy ireo raha araka ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety teny Anosizato afaka omaly alarobia 20 mey. Afaka miasa an-kalalahana araka izany izy ireo hitsabo ny Malagasy amin’ny alalan’ireo karazana ravinkazo, hambolena any Farafangana, haodin’ireo fitaovana goavam-be sy manara-penitra toy ny lapika… nafarana avy any Amerika. Hisokatra sy hivelatra manerana ny Nosy araka izany ny FITRAMA ka eny amin’ireo biraon’ny Hafari Malagasy manerana ny Nosy no ahitana azy ireo. Tsy hijanona hatreo ny fiaraha-miasa. Hanofana olona miisa 200 ihany koa ny roa tonta izay hizara ho ekipa efatra. 50 mianadahy isanisany no hifanome tanana amin’izany, hofanina ho lasa tradipraticien. Nandritra ny roa andro moa no nanatanterahana izany fiofanana izany hanomezana fahafaham-po ny mpiray tanindrazana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT