Fahasalamana

Fitsaboana nentim-paharazana Simba ny ara-kolontsaina, sosialy, toekarena noho ny fanaonaovam-poana


  • Alarobia 07 Jona 2023

Taorian’ny taona 2019 dia omaly indray vao niverina nanao fivoriambe toy izay fanaony isan-taona tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto etsy Mahamasina ny fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana malagasy na ASTRAMA.

Niteraka fahasahiranana mafy ho an’ny tena mpitsabo nentim-paharazana, hoy ny fanazavana, ny hahamehana ara-pahasalamana sy ny vokatr’izany ny taona 2020 no ho nankaty. Nisy olona nilaza azy ho mpitsabo nentim-paharazana nahazo tombony satria vola ny azy no lehibe. Ireo tena mpitsabo nentim-paharazana kosa dia isan’ny niharan’ny fahavoazana teo amin’ny fahafaha-miaina. Adino ny mpitsabo nentim-paharazana raha mba nisy ireny fanampiana sosialy tahaka ny tosika fameno sy ny tariny ireny. Tsy nisy nahatsiaro. Mbola tsy kivy anefa izahay fa mbola mitsangana eny anivon’ny fiarahamonina eny amin’ny lafiny fahasalamana. Fampahatsiahivana ny fitsipika sy lalàna ary soatoavina mifehy ny mpitsabo no anton’ny fivoriana toy izao ankoatran’ny fandinihana ireo birao satria tany amin’ny taona 2022 izany no efa tokony nasiana fanamboarana. Ny sata fehezin’ny hitsivolana 60-0133 ny 13 oktobra 1960 no mifehy anay. Jerena eto ny adidy amin’ny fiarahamonina eo amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra ara-pahasalamana tahaka ny CSB. Ny olana izay hanaovanay antso koa dia tsy heverin’ny tomponandraikitra sasany ho mpisehatra ara-pahasalamana izahay indraindray na matetika dia lasa zanak’ikalahafa. Raha ny tena marina nefa dia isan’ny mpiandraikitra amin’izany ny mpitsabo nentim-paharazana. Mahery vaika loatra ankehitriny ny rivotry ny sivilizasionina avy any ivelany. Ohatra hoe eo amin’ny resaka varotra, fifaneraserana tahaka itony Facebook itony. Na ny fitenenana aza ao miova daholo. Mahery setra be ilay izy fa tsy izahay no miraviravy tanana ka anatin’ny ady amin’izany izao fivoriana ataonay izao ho fifanomezana aina eo amin’ny sehatra iandraiketanay mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana sy soatoavina. Mangataka amin’ny fanjakana izahay mba hampiditra anaty «cybercriminalité» ny fanaovana dokam-barotra zava-mamoha henatra ny kolontsaina sy fitsaboana nentim-paharazana ity satria ampahany amin’ny kolontsaina ny fitsaboana nentim-paharazana. Na ara-toekarena na kolontsaina na sosialy dia be dia be ny simban’ny fanaonaovam-poana amin’ny fitsaboana nentim-paharazana. Ialokalofan’ny olona amin’ny sehatra ara-pinoana, politika, demokrasia sy maro hafa ilay izy, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Legende : Tetsy Mahamasina omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT