Fantatra eo amin’ny tontolon’ny Fitsaboana netim-paharazana Atoa Rakotondranaivo Jean Pierre !
Mitsabo amin’ny alalan’ny zavamaniry sy otra. Irakiraky ny Raibeny maka karazana ravinkazo hitsaboana olona izy tamin’ny fahazazany, ary izany no nahasarika azy handinika ireny karazana zavamaniry ireny sy ny asany eo amin’ny fahasalaman’ny olombelona. Tay aoriana moa dia notsofin’io raibeny io rano izy hanao ny asa fitsaboana koa, ka ny taona 2009 no nanombohany izany. Tsy nijanona tamin’izay nampianarin’ny raibeny azy izy fa nanao fikarohana manokana koa, ary niara-niasa tamina karazana olona maro tamin’izany. Anisan’ny niarahany niasa ny Societé TASA Company tao Toamasina izay teratany Sinoa no tompony. Rehefa avy nitety faritra maro nanerana ny Nosy nanao ny asa fitsaboana Rakotondranaivo Jean Pierre, ary nisedra lalan-tsarotra indraindray noho ny famadihana sy fanararaotan’ny sasany ny talentany, hoy izy. Niverina tao Toamasina ary nandray ny Societé TASA COMPANY satria lasa nody any an-tanindrazany ilay teratany Sinoa, ka nomen’itsy farany Certificat izy tamin’izany. Ankehitriny ary dia mijoro indray ny Société TASA Company S.A.R.L izay misehatra eo amin’ny fitsaboana tradisionela ka Atoa Rakotondranaivo Jean Pierre no Filoha/Tale Jeneraly. Atoa Randriamandanona Parfait kosa no Gérant ao anatin’ity Sté TASA Company. Mijoro ara-dalàna araka ny lalàna mifehy ny orinasa eto Madagasikara ny TASA Company. Mba hialana amin’ny hosoka sy ho fiarovana ireo fanafody vokariny kosa dia napetraka an’ny OMAPI ny marika. Hisandrahaka hanao ny asa fitsaboana nentim-paharazana manerana an’i Madagasikara ny TASA COMPANY, ary efa misy koa moa ireo rantsana ao anatiny toy ny FIMAMA, ny NY-ARFI MADA sy ny sisa, hoy ny fanazavana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.