Fahasalamana

Fitsaboana nentim-paharazana Manaja etika sy deontolojia ny FITRAMA…


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2020

Orinasa iray misehatra amin’ny fampiroboroboana ny fitsaboana nentim-paharazana amin’ny alalan’ny zava-maniry ny Mpitsabo Malagasy FITRAMA, tantanan-dRafanomezantsoa Jean Nirina.

 

 

Manaja ny etika sy ny deontojian’ny Fitsaboana nentim-paharazana ny orinasa raha araka fanazavany tamin’ny mpanao gazety, manaraka ny lalana manan-kery ao amin’ny kaodin’ny fahasalamana momba ny didy aman-dalana mifehy ny fitsaboana Malagasy. Ireo mpitsabo nentim-paharazana maro mivondrona ao anatiny ary manana mari-pahaizana no miara-miasa aminy mampiodina ny orinasa. Fanafody raitra raha araka ny fanazavany hatrany no hampiasaina amin’izany efa nahitam-pahombiazana an-taonany maro. Nampanarahina ny fenitra ihany koa ny efitrano hampiasaina handraisana ireo marary raha toraka izany ny fitaovana sy ny mpiasa izay efa manana traikefa avokoa. Natao ho zakan’ny maro ihany koa ny saran’ny fitsaboana sy ny vidin’ny fanafody. Na izany aza dia notsiahivin-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy mpitsabo ny tenany ary tsy mbola nitsabo olona saingy andraikitra noraisiny kosa ny handraharaha ao anatin’izany sehatra izany ankoatra ny fanatsarana ny etika sy ny dentolojian’ny fitsaboana nentim-paharazana.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT