Fahasalamana

Fitsaboana nentim-paharazana Ho dinihina ny fametrahana ny birao fandrindrana isam-paritra


  • Alakamisy 28 Oktobra 2021

Hanomana miaraka amin’ny manam-pahefana voakasiky ny faritra Analamanga momba ny fitsaboana nentim-paharazana ireo sehatra voakasik’izany ny zoma izao,

 raha ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ny fikambanamben’ny mpitsabo nentim-paharazana tetsy Ivandry omaly. Misy rafitra ao anatin’ny sata mifehy ny fikambanana dia ny atao hoe BCRT na “Bureau de coordination regional des tradipraticiens”, hoy ny fanazavana. Andraikiny miaraka amin’ny manam-pahefana eo an-toerana ny mipetraka ho manam-pahefana hametraka amin’ny tokony ho izy, mampanara-dalana, manenjika ny manao ny tsy mety eo amin’ny tontolon’ny fitsaboana nentim-paharazana. Manara-maso isaky ny kaominina izy, hoy ny filohan’ny ANTM, Josephin Andriandrainarivo. Mamantatra hoe ranona no mpitsabo nentim-paharazana mipetraka eto. Rehefa tsy eo ilay mpitsabo dia mila fantany koa hoe maty sa nankaiza? Izy koa no mamaritra hoe migadra ireto satria nandika lalana. Hiaraka hifampidinika, noho izany, amin’io zoma 29 oktobra io ny manam-pahefana na solontenan’izy ireo toy ny governora sy ny DRCC, ny zandarimaria, ny polisim-pirenena, ny ANTM sy ny SPMT izay sampan-draharaha fampiasana zava-maniry fanao fanafody sy ny fitsaboana nentim-paharazana ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamana, ny depiote sy ny maro hafa. Ny tanjona dia hoe efa misy ny lalana sy fitsipika rehetra mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana saingy noho ny tsy mbola fipetrahan’io BCRT io isam-paritra eto Madagasikara, afa-tsy ao SAVA, dia ny filohan’ny ANTM irery no miteny sy manao izay tratrany amin’ny famahana ireo olana. Mila dinihina noho izany ny fahafahana mametraka izay birao fandrindrana isam-paritra, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT