Fahasalamana

Fitsaboana nentim-paharazana Efa mahenika faritra maro ny FI.TRA.MA


  • Alarobia 03 Jona 2020

Efa tena resy lahatra tanteraka amin’ny fitsaboan-tena amin’ny alalan’ny natoraly ny ankamaroan’ny Malagasy.

 

 

 

 

Tsy filalaovana ody gasy akory sanatria na fanompoan-tsampy izany fa fampiasana ireo karazan-java-maniry haodina ho lasa fanafody entina hanasitranana toy ny hiantsorohan’ny FI.TRA.MA ankehitriny na ny Fitsaboana Tradisionela Malagasy. Ankoatra ireo sahirana mantsy dia misy solombavambahoaka, loholona, pastera tonga mitsabo tena ihany koa ao amin’izy ireo raha araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina filohan’ny FI.TRA.MA nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly. Ankoatra izay hoy izy dia manome asa ny tanora Malagasy eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 25 taona ihany koa ny fampiroboroboana ny fitsaboana nentim-paharazana ary tena mahaliana azy ireo tokoa. Mahay ny Malagasy hoy Rafanoezantsoa Jean Nirina ary tena mahavita zavatra, antony nisaorany manokana ny Filoham-pirenena izay nanosika sy nanome vahana ity sehatra iray ity. Tsy hihemotra izy ireo araka izany hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina ary efa manomboka mipariaka manerana ny faritra hanampiana ny mpiara-belona. Anisan’ny efa tafatsangana ohatra ny FITRAMA any Manjakandriana, Farafangana, Vohipeno, Manakara, Fianarantsoa, Vohemar, Ankazobe, Arivonimamo, Imerintsiatosika…..

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT