Fahasalamana

Fitsaboana natoraly Nianarana, tsy misy hidiran’ny tontolon’ny fanahy


  • Talata 06 Jona 2023

Betsaka ireo olona lasa matahotra sy miahiahy momba ny fitsaboana natoraly amin’izao. Miha mitombo isa rahateo izy ireny eto amintsika no sady milaza ho mahay manasitrana avokoa.

Nitondra fanazavana mifandraika amin’izany Atoa Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana. Nambarany fa maro tokoa ireo olona manao fitsaboana natoraly eto amintsika ankehitriny. Ho an’ireo tena mifototra amin’izany hoy izy dia nianatra manokana izy ireny fa tsy manaotao foana akory. Amin’ny ankapobeny rahateo raha araka ny fanazavany dia ireo karazan-java-maniry eto amintsika ihany no hampiasaina tsy misy fangarony hafa hanasitranana ireo olona manana olana ara-pahasalamana. Tsy misy hidiran’ny tontolo ara-panahy mihitsy ireny raha araka ny fanazavany. Efa sehatra hafa mihitsy no misy ireo karazan’olona mitsabo amin’ny alalan’ireny fahaizany manokana ireny hoy hatrany Rija Mandimbison, lova nolovaina avy amin’ireo Raiamandreny tany aloha na dia samy Malagasy aza.
Pati
Legende : Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny toeram-pitsoana Aina Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT