Fahasalamana

Fitsaboana maimaimpoana Nanomboka teny Andavamamba ny hetsiky ny Ahmadiyya


  • Sabotsy 12 Mey 2018

Ny gripa, ny sery, ny kohoka ary ireo karazan’aretina azo avy amin’ny loto amin’ny ankapobeny no tena mahazo antsika Malagasy, raha ny fanazavan-dry zareo avy eo anivon’ny fikambanana Ahmadiyya izay manatanteraka fitsaboana maimaimpoana etsy Andavamamba nanomboka ny talata teo.

 

 Olona miisa 2.000 moa no efa  nisitraka izany tany Toliara sy Fianarantsoa ny herinandro teo ka saika izay avokoa no olana mahazo ireo marary rehetra, raha ny tatitra voaray. Ireo zaza amam-behivavy ary ireo zokiolona no tena mahita faisana amin’izany saingy na izany aza dia nambaran’ireo mpitsabo fa azo tsaboina tsara ny aretina. An-jatony ireo tonga  namaly ny antso raha iny omaly tolakandro iny. Dokotera 3 avy any Alemaina izay mivondrona ao anatin’ny fikambanan’ireo dokotera Silamo Ahmadiyya no manatanteraka ny asa fitsaboana  ka tsy mifidy moa, raha tsiahivina ny fanazavana, ireo aretina zahana. Ny fanafody ihany koa dia omena maimaimpoana. Tsy mitsabo ireo karazan’aretina mila fanaraha-maso sy fitsaboana maharitra toy ny homamiadana kosa anefa izy ireo.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT