Fahasalamana

Fitsaboana Hopitaly manara-penitra 13 no hajoro amin` ity taona ity


  • Alatsinainy 22 Jona 2020

Tamin` ny taona 2019, hopitaly manarapenitra CHRD miisa 13 no natomboka. . CSB II niisa 13 ihany koa no natsangana saingy eo ampamarana ny telo ambiny any Ambodirano (Vondrozo), Bekodoka (Besalampy) ary Manja.

 

 

 

 

Zo fototra ho an’ny olombelona ny fahasalamana ka natao vaindohan-draharaha hatrany ny fahasalamam-bahoaka na dia eo aza ny ady amin` ny COVID-19. Hiroso amin` ny fampitaovana “bloc opératoire” sy “bloc maternité” amin` ireo CHU vitsivitsy ny fanjakana. Hisy ihany koa ny asa fanarenana maro toy ny amin’ny « Centre de rééducation mortice” ao Antsirabe, ny Service Pédiatrie ao amin’ny CHU Place Kabaro Antsiranana, ny Salle de reéducation CHUAM. Handray an-tanàna manontolo ireo soins d’urgence an’ireo marary tonga tampoka eny amin’ny service d’urgence amin’ireo hopitaly CHU amin’ny renivohim-paritany enina eto amintsika ny fanjakana. Ny asa goavana dia ny fananganana hopitaly manarapenitra miisa 13 sy ny fanamboarana “logements administratifs” ho an’ireo mpitsabo sy tomponandraikitra amin’ireo hopitaly ireo. Hisy koa fananganana toeram-ponenana manarapenitra ho an’ireo mpitsabo sy tompon’andraikitra any amin’ireo toerana lavitra mba hamporisihina azy ireo amin’ny asany amin`ireo distrika 39. Samy miandry fahasalamana ho an`ny rehetra moa ny Malagasy rehetra saingy antenaina mba tsy hitarazoka sy ho tefy maika ihany koa ny fotodrafitrasa rehetra. Andrasana ihany koa ny fiasan` ilay « Unité de transplantation rénale » izay natao eny amin’ny CHU Andohatapenaka natao tamin’ny taona 2019.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT