Fitsaboana eny amin'ny CSB II

Tsy maimaimpoana fa misy sarany 8000 ka hatramin'ny 12 000 ariary


  • Talata 27 Febroary 2024

FITSABOANA OLONA ENY AMIN’NY CSB II Handoavam-bola 8.000 ka hatramin’ny 15.000 Ar

Handoavam-bola ny mitsabo tena eny anivon’ny CSB II fa tsy maimaim-poana izany na dia hopitalim-panjakana aza izy ireny. Manomboka amin’ny 8.000 Ar ka hatramin’ny 15.000 Ar ny vola alohan’ny marary iray amin’izany izay marihina fa vidim-panafody. Eo amin’ny dokotera izay mandray ilay marary no aloha io vola io raha araka ny fanadihadiana natao. Raha sanatria ka tsy ampy kosa ny fanafody ao amin’ilay dokotera dia mbola manoratra taratasy hafa izy na ordonnance hahafahan’ny marary mividy izany any ivelany. Raha araka ny fanadihadiana natao hatrany dia ahitana tolotra maro eny anivon’ireny hopitalim-panjakana CSB II ireny. Lohalaharana amin’izany ny fitsaboana ny aretina amin’ny ankapobeny. Manala nify ihany koa ny eny anivon’ny CSB II ho an’izay manana fitaovana, mampiteraka, manao fanabezana aizana ary mampisafo. Ho an’ny CSB II eny Fenoarivo Atsimondrano eny ohatra dia feno ny tolotra omen’izy ireo izay mandray marary manodidina ny 15 eo ho eo isan’andro. Raha ao amin’izy ireo mantsy no misafo ny vehivavy bevohoka iray dia avy hatrany dia miampita ao amin’ny Maternite rehefa hiteraka. Ampy tsara ny mpitsabo ho azy ireo. Ampy ihany koa ny fitaovana amin’ny ankapobeny raha toraka izay koa ny fanafody. Tamin’ny fotoana nampahazo vahana ny tazo mahery teo aloha moa no fantatra fa nahatratra 50 teo ho eo isan’andro ireo marary manatona ireny CSB II ireny.
Pati
Legende : Handoavam-bola ny mitsabo tena ety amin’itony hopitalim-panjakana itony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT