FITSABOANA DIABETA

4 tapitrisa Ar isan-taona no ilaina ho an’ny ankizy iray


  • Zoma 15 Novambra 2024

4 tapitrisa Ar isan-taona no saran’ny fitsaboana ankizy iray manana toe-tena diabeta ao anatin’ny taona iray.

12 volana anefa no kely indrindra amin’izy ireny, mpikambana eo anivon’ny AMADIA na ny Andiana Malagasy miady amin’ny Diabeta eny Faravohitra raha miisa 400 kosa ireo ankizy sy tanora latsaky ny 30 taona. Nambaran’ny dokotera Haja Ramamonjisoa, tompon’andraikitra eo anivon’ny AMADIA fa nitombobe ireo olona manana ity toe-tena ity eto amintsika tato anatin’ny 10 taona izao. Tafakatra 40% mantsy ireo olona latsaky ny 40 taona tratry ny diabeta amin’izao raha 10% izany tany amin’ny 10 taona lasa. Vokatry ny fisakafoanana diso tafahoatra, ny tsy fampiasam-batana, no nambarany fa anisan’ny antony mahatonga izany raha eo ihany koa ny hatavezana sy ny rarintsaina. Nankalazaina omaly Alakamisy 14 Novambra ny andro iraisam-pirenena hahafahana miady amin’ny diabeta sy ny fanomezan-tanana ireo olona diabetika. Raha tsiahivina kely dia nanomboka tamin’ny taona 1991 izy io no nankalazaina voalohany teto amintsika izay mifanindry an-dalana amin’ny fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahan’Atoa Frederic Grant Banting tera-tany vahiny nahita voalohany ny insuline. Nanomboka ny taona 1922 araka izany dia voasorok’ity fanafody ity avokoa ny fahafatesan’ireo ankizy sy tanora nanana toe-tena diabetika. Tsiahivina fa 4,7% ny tahan’ireo olona tratry ny aretina diabeta manerana ny Nosy ka ny 2% dia miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra raha eto an-drenivohitra kosa ny 20%. Loha-hevitra noraisina tamin’ity taona ity moa ny hoe : Ny diabeta sy ny filaminan-tsaina.
Pati
Legende : Dokotera Haja Ramamonjisoa, notronin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy mitady hevitra hanampiana ireo olona diabetika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT