Fahasalamana

Fitsaboana aretina Afaka ampiasana tambazotran-pifandraisana


  • Sabotsy 10 Martsa 2018

Omaly no nampahafantarina tetsy amin’ny Hotel Carlton Anosy ilay Tahiry iombonan’ny fitsimbinana ny fahasalaman’ny rehetra (CNSS).

Tolotra iray izay iarahan’ny minisiteran’ny fahasalamana sy ny tambazotran-pifandraisana eto Madagasikara. Araka izany dia mila mampiasa finday mba ahafahana mahafantatra ny momba ny fahasalamana ny olona mpikambana. Mila miditra mpikambana ihany koa izany ny olona izay liana  ary amin’izany firotsahana ho mpikambana izany no ahafahana misitraka ny tolotra. Afaka mahafantatra ny aretina mahazo azy ilay olona ka omena izay dokotera, fanafody eny fa na dia ny toera-pitsaboana na hôpitaly akaiky azy araka izany. Mazava ho azy fa mila mampiditra fahana amin’i finday raha te hahafantatra ny momban’ny fahasalamany  ny mpikambana. Afaka fantarina ao ihany koa na ny torohevitra ara-pahasalamana sy ny tolotra maro samihafa mahatsara ny mpikambana. Ny vola miditra aloan’ny mpikambana amin’izany no ifampizaran’ny ministera sy ny tambazotran-pifandraisana ka rehefa tojo aretina ny mpikambana dia tsy mandoa vola intsony satria efa nanome tany am-piandohana.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT