Tokony omena vahana eto amintsika hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, filoha nasionalin’ny fikambanana Hafari Malagasy ny fitsaboana amin’ny alalan’ny zava-maniry.
Eken’ny lalàna ny fanaovana izany eto Madagasikara hoy izy ary efa misy mihitsy ny sampandraharaha miandraikitra izany eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka saingy toa takona. Tokony ho reharehan’ny Malagasy ny fananana izany fitsaboana nentim-paharazana izany hoy izy izay manome lanja ireo zava-maniry mampiavaka antsika saingy tsy tokony hafangaro amin’ireo mpanao fahagaga kosa. Manao antso avo amin’ny Filoham-pirenena araka izany Rafanomezantsoa Jean Nirina mba hiady mafy ho an’ny vokatra Malagasy fa tsy hanaiky ho baikon’ny OMS foana. Efa fotoana izao hoy izy hanomezan-danja ny vokatra vita avy amin’ny zava-maniry Malagasy, indrindra amin’izao fotoana mampahazo vahana ny aretina samihafa eto amintsika izao. Ho an’ny fikambanana hafari manokana dia hisy mihitsy ny FITRAMA ( Fitsaboana Traditionnel Malagasy) hatsangany eny amin’ny biraony eny amin’ny 67 ha. Mampiava azy ireo ny fampiasana ilay fitaovana bioscan hijerena ny aretina ao anatin’ny vatana rehetra, ny fampiasana ireo karazam-panafody vita amin’ny zava-maniry izay mampiasa antsika na ilay antsoina hoe : bio, arahin’ny famporisihina ny olona hanao fanatanjahantena sy hanjifa ny legioma hananana fahasalamana mirindra mandrakariva.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.