Fahasalamana

Fitsaboan-tena any ambanivohitra Dia an-tongotra hatrany amin’ny 35 km vao mahita hopitaly


  • Zoma 29 Aprily 2022

Tena mijaly amin’ny fitadiavana tobim-pitsaboana ny olona any ambanivohitra. Raha araka ny fantatra mantsy dia mandeha dia an-tongotra hatrany amin’ny 35 km

izy ireny vao mahita tobim-pitsaboana iray raha 5 km eo ho eo kosa ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Maro amin’izy ireny anefa no zokiolona marary mafy sy Renim-pianakaviana handeha hiteraka antony mampitombo isa ireo maty eny an-dalana…Ankoatra izay dia mbola olana ihany koa ny tsy fahampian’ny mpitsabo. Isika eto Madagasikara no vitsy dokotera indrindra aty Afrika raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina. Dokotera 0,5 mantsy no miandraikitra olona manodidina ny 10.000 isa. Dokotera miisa 45 kosa no misahana olona 10.000 isa any Eoropa any. Mety ekena ary tohanana mafy araka izany hoy dokotera Fidy ilay fikasan’ny fanjakana hanangana CSB II miisa 69 amin’ity taona ity miampy hopitaly manara-penitra 15. Arahin’ny fandraisana mpiasan’ny fahasalamana 1600 isa eo ho eo izany ka anisan’ireny ny mpitsabo mpanampy, ny mpampivelona….Nomarihin’ny dokotera Fidy Bariniaina moa fa rehefa salama ny vahoaka dia afaka mamokatra ary handroso ho azy ny firenena misy azy.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT