Fahasalamana

Fitrandrahana rano any Atsimo Efa potika sahady ny 30 %-n’ireo fotodrafitrasa natsangana


  • Alarobia 28 Martsa 2018

Tsy misy manjary ny fitrandrahana rano fisotro madio any amin’ny Faritra Atsimo. Raha ny vaovao azo dia ny 30 %-n’ireo fotodrafitrasa natsangana hatreto no efa potika sahady.

 

Ankoatra izay, raha ny  anazavana azo tamina tompon’andraikitra iray avy any amin’iny Faritra atsimon’ny nosy iny dia mahazo laka tanteraka any an-toerana ny rano masira. Raha mahatratra 150 mantsy ireo lavaka lavahana hisintomana rano dia ny 100 amin’ireo ihany no misy raha mbola rano masira ihany koa no azo amin’ireo  lavaka 50 ambiny.  Mahatsiaro ho sahirana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, antony nanatanterahana ilay atrikasa momba ny famatsiana rano fisotro madio niarahana tamin’ny UNICEF teny Ankorondrano, omaly. Ny fampirisihina ireo  mponina any an-toerana mba hamboly hazo aloha  hatreto no hitan’ireo tompon’andraikitra fa vahaolana arahin’ny fitarihan-drano avy any amin’ny distrikan’i Farafoday.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT