Fahasalamana

Fitiliana sy fitsaboana ny tazomoka Nanolotra fitaovana an-tapitrisany ny Amerikana


  • Zoma 21 Aogositra 2020

Nanolotra kojakojam-pitsaboana mitentina 1,8 tapitrisa dolara ho an’ny

 

Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny governemanta amerikana, amin’ny alalan’ny Tetikasan’ny Filoham-pirenena Miady amin’ny Tazomoka (PMI) sy ny Sampandraharaha Amerikana ho an’ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID), hitiliana sy hitsaboana ny tazomoka. Ahitana fitaovana fanaovana fitiliana haingana ny tazomoka(TDR) maherin’ny 2 tapitrisa sy fitsaboana manodidina ny 2 tapitrisa, hitsaboana ireo izay voamarina fa voan’ny aretina izany fanomezana izany. Olona iray tapitrisa no fantatra fa voan'ny tazomoka nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona 2020 ity teto Madagasikara, ary 600 ireo olona namoy ny ainy. Hanavotra ain’olona maro ny fahazoana ireo fitaovana fanaovana fitiliana haingana ao anatin’ny 15 minitra monja sy ireo fitaovana fitsaboana ireo. Ny tetikasa ara-pahasalamana IMPACT, izay vatsian’ny USAID, no hiandraikitra ny fitsinjarana manerana ny Nosy ireo kojakojam-pitsaboana ireo ary hiara-hiasa amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hahazoana antoka fa misy ary afaka ampiasaina ny fitaovana sy ny fanafody amin’ny fotoana rehetra sy ny toerana rehetra ilana izany.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT