Fitiliana ny VIH

SIDA Tamin’ny volana martsa no nisy fitaovana farany


  • Alarobia 24 Jona 2020

Misy fiantraikany goavana amin’ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA eto amintsika ny fiparitahan’ny tsimokaretina COVID 19 manerana ny faritra maro, raha araka ny fanazavan’Andrianiaina Herivelo,

 

 

 

 tompon’andraikitra ao anivon’ny Komity nasionaly miady amin’ny aretina SIDA na ny CE CNLS. Raha tamin’ny volana martsa lasa teo mantsy no tonga teto amintsika farany ny fitaovana fanaovana fitiliana ny tsimokaretina VIH /SIDA farany dia amin’ny faran’ny volana Jona any indray izany vao mety hisy fa mihitsoka ao Japon avokoa. Betsaka ireo olona tokony natao fitiliana tsy vita araka izany raha mbola tsy misy ahiana kosa ny mikasika ny fanafodin’ireo marary. Mba hahafahana miaro ireo olona mitondra ny tsimok’aretina VIH /SIDA eto amintsika araka izany dia nisy ny kojakoja niampy aron-tava natolotry ny ONU SIDA ho azy ireo hahafahany miaro tena amin’ny COVID 19.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT