Fahasalamana

Fitiliana ny aretina homamiadana Nahazo “Gamma Camera” ny Hopitaly Manara-penitra


  • Sabotsy 24 Jona 2017

Tontosa ny tolakandron’ny alakamisy 22 jona 2017 teo ny lanonam-pitokanana ny fitaovam-pitsaboana raitra antsoina hoe “Gamma camera” napetraka eny amin’ny hopitaly manara-penitra eny Andohatapenaka.

 Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Rotary Club International (RCI) Antananarivo Ainga District 9220 tarihan’i Pr Razafimahandry Jean Claude sy ny RCI Reims tarihan’i Dr Colette Vaudrey no nahazoan’ny Hopitaly manara-penitra fitaovana raitra tahaka izao. Ny Dr Colette Vaudrey dia manampahaizana momba ny “Endocrinologie” sy “Médecine nucléaire” ary mpanao asa soa naman’ny Dr Maurice Collin. Araka ny fanazavana teknika nomen’i Dr Colette Vaudrey dia fitaovana ahafahana mitaratra sy mitily ny aretina homamiadana na « cancer » amin’ny faritra maro amin’ny vatan’olombelona ny « Gamma Camera » raha tsotsorina ny fanazavana. Ny minisiteran’ny fahasalamana no nanao izay nahamora ny fidirany teto Madagasikara. Na dia efa niasa aza izy io dia mbola mitentina 800 000 euros ny vidiny. Dingana lehibe amin’ny fitsaboana homamiadana sy homanaingana araka izany ny fananana azy ity satria efa marary maro no noraisina an-tanana. Nampihena be ny tahan’ny fahafatesana ny fahafantarana ny fihanaky ny aretina amin’ny alalan’io milina io, araka ny kabarin’ny minisitry ny fahasalamana Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo. Ankoatra ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky notarihan’ny talen’ny kabinetra sy ny tale jeneralin’ny fahasalamana, dia niatrika ny lanonam-pitokanana koa ireo Lehiben’ny toeram-pitsaboana isan-tsokajiny toa ny Pr Lova Randriamanantsoa (CHU Andohatapenaka), ny Pr Razafimahandry Jean Claude (HJRA),  Dr Arivelo Andriamparany (Médecine nucléaire), Dr Andriantsoa Jean Rubis (Pionnier Radioisotope)...

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT