Fitiliana diabeta sy tosi-drà avo

Mpiasan’ny Ministeran’ny fiarovana maro no natao fitiliana


  • Zoma 01 Septambra 2023

Mahafaty ny aretina diabeta. Toraka izany koa ny tosi-dra avo. Ho fanaraha-maso ny toe-pahasalaman'ireo mpiara-miasa

eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena sy hahafahana misoroka ny voka-dratsy aterak’ireo aretina ireo dia nikarakara fitiliana maimaim-poana ny aretina diabeta sy ny tosi-drà ny Fitaleavana ny Sampandraharan'ny Fitsaboana Miaramila (DCSSM) etsy Ampahibe nanomboka afak’omaly Alarobia 30 Aogositra. Nifarana omaly Alakamisy 31 Aogositra izany ka anisan’ny nahazo tombony tamin’izany ihany koa ny fianakavian’ny mpiasa. Tanjona ny hahazoan’ireo mpiasa fahasalamana lalandava indrindra manoloana ny fiatrehana ny tsy fahasalamana tampoka amin’izao fiainana efa tena sarotra izao. Am-polony moa ireo nahazo tombontsoa tamin’izany.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo mpiasa nahazo ilay fitsaboana maimaim-poana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT