Fahasalamana

Fitiliana diabeta Nahasarika olona marobe


  • Alakamisy 01 Desambra 2016

Fahombiazana tamin’ny ankapobeny ilay hetsika fitiliana diabeta maimaimpoana notanterahin’ny AMADIA ( Andiana Malagasy miady amin’ny Diabeta) sy ny Pharmadiff tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely omaly.

 

 Nihoatra ny tanjona nokendrena mantsy ny isan’ireo  tonga nanohana ny antson’izy ireo noho ny tahotra ity aretina ity.  Ny  tahotry ny sao dia ho afa-jaza na hitaiza zaza tsy salama ho an’ny vehivavy bevohoka no tena nampihazakaza azy ireo raha  olana iraisan’ny maro ny tahotra ny  ho jamba, hotapahan-tongotra na ny fahatongavan’ny aretin’ny voa sy ny fo ary ny lalandra tampoka  noho ny diabeta. Raha voatsabo ara-potoana anefa ny olona iray raha araka ny fanazavan’ny dokotera Haja Andriamamonjisoa dia tsy maintsy handaniana 3 tapitrisa Ar isam-bolana mba hanaovana “dialyse” izay vao afaka manohy ny fiainany ara-dalàna indray. Maromaro ihany moa ireo fantatra fa lasibatr’ity aretina ity omaly, ho an’ireo tonga nanao fitiliana izay horaisin’ny AMADIA an-tanana avy hatrany ny fikarakarana azy. Tsiahivina fa hetsika efa fanaon’ny Pharmadiff  isan-taona ny tahaka izao. Ankoatra an’Antananarivo dia efa nivoaka nitety faritra ihany koa izy ireo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT