Fahasalamana

Fitehirizana fanafodim-baksiny Mila hatsiaka 2° C ka hatramin’ny 8°C


  • Alakamisy 18 Janoary 2018

Natomboka omaly alarobia 17 janoary manerana ny Nosy, haharitra hateloana ny fanaovam-baksiny faobe iadiana amin’ny aretina lefakozatra ho an’ireo ankizy latsaky ny dimy taona.

Antony nanohizan’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ny hetsika raha araka ny fanadihadiana natao ny fahafantarana fa mbola betsaka amin’ireo zaza madinika eto amintsika no lasibatr’ity aretina iray ity, izay tsy mamela mahazo mihitsy. Hisy, araka izany, ny fidinana ifotony ataon’ny tompon’andraikitra indray toy ny eny anivon’ny sekoly, ny isan-tokantrano…Na izany aza anefa dia betsaka amin’ireo ray aman-dreny no velon’ahiahy sy matahotra ny amin’ny mety ho voka-dratsy entin’ireny vaksiny ireny, indrindra fa ireo efa nijanona nandritra ny fotoana maharitra teny ambony sambo. Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina dia tsy maninona fa mijanona maharitra amina toerana iray aza ny vaksiny fa tsy lany daty kosa. Mitovy amin’ny fanafody ihany izy ireo ka raha sanatria lany daty dia mivadika ho poizina. Toerana mangatsiatsiaka 2°C ka hatramin’ny 8°C no tsy maintsy hitehirizana ny vaksiny, raha araka ny fanazavana azo ; manimba azy ny hafanana. Ho an’ny ankamaroan’ireo sekoly teto an-drenivohitra nanaovana fanadihadiana moa dia saika nandefa taratasy tany amin’ny ray aman-dreny avokoa aloha ny ankamaroan’izy ireo omaly  mba hahafantarana izay mety ho fanapahan-kevitra mikasika ny zanany na hatao vaksiny iadiana amin’ny aretina lefakozatra na tsia. Aorian’izay izy ireo vao afaka manome alalana ireo tompon’andraikitra misahana izany.11 tapitrisa ny zaza mila atao vaksiny fanefitry ny lefakozatra eto Madagasikara

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT