Fahasalamana

Fitandroana ny fahasalamana Tsy tsara mitanin’andro ireo avy nanao vaksiny


  • Talata 15 Jona 2021

Fambolena hery fiarovana anaty vatan’ny olona hahafahany miatrika aretina iray ny vakisiny, hoy ny dokotera mpitsabo,

 

Fidy Bariniaina, omaly, nanentana ny Malagasy hanao vakisinin’ny Covid 19. Ataovy ny vakisiny, hoy izy, fa vao manomboka io ny ririnina ary mbola ho aiza ny manerika be amin’ny jolay? Ny hatsiaka sy ririnina no mampirongatra ny aretin’ny taovam-pisefoana. Samia manatona tobim-pahasalamana toy ny CSB sy hopitalim-panjakana ho an’ny any amin’ny distrika sy kaominina rehetra any fa maimaimpoana io. Ny olona marefo, be taona, mifandray amin’olona maro toy ny mpivarotra, mpiasan’ny banky, mpiasana birao, ny olona reraka lava toy ny tsy ampy torimaso, matavy sy izay mahatsiaro marefo rehetra, hoy izy dia tena entanina. Ampatsiahivina fa tsy mahazo mihinam-panafody ankoatran’izay omen’ny dokotera isika rehefa avy vita vakisiny. Aleo manatona dokotera rehefa tsy metimety. Tsy manao vizaka ary tsy tsara mitanin’andro be. Hafatry ny tekinisianina namorona ilay vakisiny mihitsy io sao mety hamono ilay hery fiarovana tokony hiforona sy hiakatra indray, hoy hatrany ny Dr Fidy Bariniaina.


J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT