Fahasalamana

Fitandroana fahasalamana Tratra ny tanjon’ny andro


  • Talata 25 Aprily 2023

iraisampirenena ho an’ny fanatanjahantena

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny fanatanjahantena fanoitry ny fampandrosoana sy fandriampahalemana na «Journée internationale du sport au service du développement et de la paix» izay niainga tetsy Analakely. Tompon’antoka tamin’ity hetsika fanetseham-batana nanomboka tamin’ny 8 ora maraina ho fanamarihana izany ity ny teo anivon’ny orinasam-pifandraisan-davitra Telma sy ny minisiteran’ny fanatanjahantena sy ny tanora. Tratra ny tanjona, hoy ny fanazavana, satria natao hanetsehana vatana hitarihana ny olona hitandro ny fahasalamana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena izany. Iaraha-mahita ny tranga miseho taterin’ny filazam-baovao saika isan’andro toy ny hoe tanora tratry ny AVC, fiakaran’ny tosidra, diabeta, aretina maro isan-karazany. Azo tandremana amin’ny alalan’ny fanaovana fanatanjahantena nefa ireny. Andiany voalohany moa izy ity ary saika namaly ny antso avokoa ny ankamaroan’ireo noeritreretina ho tonga, izay tanora no ankamaroany sy navitrika tamin’izany, hoy hatrany ny fanazavana avy eo anivon’ny minisitera tompon’andraikitra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT