Fahasalamana

Fitahirizana vaksiny Tobim-pahasalamana 500 hahazo fitaovam-pangatsiahana


  • Alarobia 06 Martsa 2019

Vita omaly talata 5 martsa ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana ho an’ny ankizy (UNICEF) sy ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.

 

 

 Tanjona ny hanatsarana ny fahasalamam-bahoaka, indrindra ireo zaza. 500 amin’ireo 2.660 tobim-pahasalamana anatin’ny distrika 77 manerana an’i Madagasikara no hisitraka fitaovam-pangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro hanamafisana ireo dingana fitehirizana vaksiny amin’ny maripana tokony ho izy. Sarotra amin’ireo tobim-pahasalamana sasany ny manatanteraka ny fanaovam-baksiny noho ny tsy fisiana angovo. Izany indrindra no hiandraketan’ny UNICEF hividy ireo fitaovana ireo miampy ny fanaterana izany eny ifotony sy ny fanofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana. Mitotaly 4 500 000 tapitrisa dolara ny tombam-bidin’ireo fitaovana ireo ary ny GAVI no hiantsoroka ny 80%-n’ny famatsiam-bola.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT