Mahatsara ny fahasalamana amin’ny ankapobeny ny fisotroana divay raha voalanjalanja. Ho an’ny divay miloko mena, ohatra, dia maro ny tombontsoa entiny amin’ny fahasalamana raha ny fanazavan-dRakotozafy Isabelle, dokotera sady mpikirakira divay eo anivon’ny orinasa Clos Malaza
. Manalefaka ny lalandra izy mba hampikoriana tsara ny ra any anatin’ny vatana iray manontolo. Mahatsara ny olona tsy ampy ra ihany koa ny divay mena loko natoraly sady mikarakara ny sela mena. Ho an’ireo tsy ampy tosidra kosa dia tsara raha hampangotrahina kely ny divay vao sotroina ary laroina siramamy. In-dray mandeha isan-kerinandro ihany anefa ny olona iray no tsara misotro divay ary tsy atao betsaka fa tapaky ny vera kely ihany. Misy tahaka alikaola 12 % mantsy ao anatin’ny divay 100 litatra ka tsy tsara izy ho an’ny vehivavy mampinono sy bevohoka. Nandritra ny fanatanterahana ilay foaraben’ny divay sy ny fromazy natao tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely ny faran’ny herinandro teo no nahafantarana izany, niarahana tamin’ny fikambanana MKT2 Events. Little Garden kosa no hetsika hoentin’izy ireo manaraka hanomezana vahana ny fanaingoana trano ivelany toy ny zaridaina sy ny voninkazo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.