Fahasalamana

Fisorohana ny vohoka aloha loatra Hihetsika ny vehivavy parlemantera


  • Alarobia 28 Jona 2017

Ny 20%-n’ny vehivavy latsaky ny 15 taona no bevohoka aloha loatra, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny vehivavy parlemantera sady depioten’i Manjakandriana,

 Lidya Aimée Rahantasoa, raha nanazava tamin’ny mpanao gazety ny antony handraisan’izy ireo anjara amin’ny fanatontosana ilay tetikasa fijerena tombony amin’ny fitombon’ny mponina hiarahana amin’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana izany (FNUAP) tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly. Mahatratra 33% kosa ireo latsaky ny 24 taona. Vehivavy 10 isan’andro no maty eo am-piterahana ary tsy ampy taona ny 3 amin’ireo. Ontsa izahay vehivavy parlemantera, hoy izy, manoloana izany ka dia hitondra ny anjara birikinay amin’ny mpanao lalàna hanentana ireo tanora amin’ny distrika iandraiketanay mba hanena io taha io.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT