Fahasalamana

Fisorohana ny valanaretina pesta Mifanolo-tanana amin’ny CUA ny Startimes


  • Sabotsy 04 Novambra 2017

Nanolotra ranom-panafody 30 litatra hahafahana manondraka velarantany 20.000m2

 hiadiana amin’ny pesta sy fitaovana mifandraika amin’izany miisa 3 niampy takelaka entina hanabeazana miisa 100 ary fitaovana fitifirana sy ranom-pidiovana, ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny orinasa STARTIMES omaly zoma 3 novambra 2017 tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Nandray ny fanomezana tamin’ny anaran’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna, Kolonely Emilien Ramboasalama. Tsy eto an-toerana moa ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana fa namita iraka any ivelany. Hampiasaina eny anivon’ny boriborintany enina ireo fanomezana ireo. Efa misy ny laminasa amin’ny fiadiana ny valaranaretina pesta sy ny fanadiovana ny tanàna ka ny talen’ny fahasalamana sy sosialy no mikarakara an’izany. Eo ihany koa ireo mpamafa lalana miampy ny mpisikotra tatatra sy ny eny anivon’ny fokontany. Ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia manolotra fisaorana feno ho an’ny  orinasa Startimes ary misokatra ho an’ny daholobe ny fifanomezan-tanana. Nanamafy koa ny solontenan’ny Ben’ny tanàna fa mifanojo amin’ny politika sosialin-dRamatoa Lalao Ravalomanana ny hetsika toy izao sady maneho ny fiaraha-miasan’ny kaominina amin’ny tsy miankina.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT