Fahasalamana

Fisorohana ny Pesta Nanadio tokontany hatramin’ny minisitra


  • Sabotsy 13 Oktobra 2018

Hiditra anaty fahavaratra isika ankehitriny, hoy ny minisitry ny fampianarana tekinika sy ny fampiofanana ara-kasa, Lydia Aimée Rahantasoa, raha nanazava ny antony nanatontosan’izy ireo fanadiovana faobe ny tokontaniben’ity minisitera ity tetsy Ampefiloha omaly.

 

  Ilaina, hoy izy, ny mampahafantatra amin’ireo mpiara-miasa fa amin’ny fotoana toy izao ihany koa no mampirongatra ireo valan’aretina vokatry ny loto. Isan’izany ny Pesta. Efa nampahafantatra rahateo ny minisiteran’ny fahasalamana fa 5 izao no efa maty hatramin’ny faha 28 septambra teo. Isan’ny tokony ho arovana amin’izany voalohany ny tontolon’ny fanabeazana izay hamolavolana ireo tanora ho avin’ny firenena. Miara-miasa akaiky rahateo, hoy ny tenany, ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny anay. Ankoatr’izay, hoy hatrany ny minisitra, dia entanina ny mpiasa hanadio ny isan-tonkatranony avy ary isan-telo volana dia hisy izay fanadiovana faobe izay koa amin’ireo toeram-pampianarana tekinika rehetra. Nitarika ny hetsika fanadiovana ihany koa moa ny minisitra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT