Fisorohana ny nendran-drajako

Tena mila mitandrina be ireo marefo hery fiarovana


  • Zoma 23 Aogositra 2024

Rehefa fantatra ny momba ilay aretina dia ny fisorohana sy ny fiarovana no tena tokony atao mety tsara,

hoy ny Dr Rakotoarivony Manitra momba ilay nendra-drajako na variole du singe, na variole simienne. Raha tsara hery fiarovana ilay olona voa dia tsy maninona fa raha toa ka marefo dia mety hahafaty mihitsy ity aretina ity hoy izy nampitandrina. Mifindra amin’ny olona samy olona ity valanaretina ity ka tena laina noho izany ny karazana fisorohana toa ny fanasana tanana matetika amin’ny savony satria matetika ny tanana lava tongotra. Tsy mety ny mifampikasokasoka be loatra ny mifanorokoroka , indrindra fa ny manoroka taovam-pananahana rehefa ilay manao firaisana ara-nofo iny. Tsara ihany koa ho an’ny mpitsabo raha manao arovava orona foana ary ho an’ny rehetra dia aleo mampiasa ilay gel Hydro alcoolique tahaka ny efa nahazatra tamin’ny nahatongavan’ny aretina Covid 19. Ny tena tsara vao hoe misy hafanana na misy zavatra mibontsina na tasitasy amin’ny hoditra, misy fanaintainana amin’ny lamosina, dia mandeha eny amin’ny tobim-pahasalamana avy hatrany manaraka ny fitsaboana , mba tsy hiitatra na hifindra ilay aretina. Manamafy ny mpitsabo fa tena mila fitandremana be ireo olona mety tsy dia manana hery fiarovana matanjaka, na marefo.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT