Fisorohana ny fidiran’ny kôlera

Nohamafisina ny fanakatonan-trano amin’i Kaomoro


  • Talata 22 Oktobra 2024

Namoaka serasera ofisialy manamafy ny fanapahan-kevitry noraisina tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 16 oktobra

lasa teo mikasika ny fanidiana ny sisin-tanintsika amin’ny fifandraisana an-dranomasina amin’i Kaomoro ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny omaly 21 oktobra. Anton’io ny fisorohana ny fidiran’ny valan’aretina kôlera avy any amin’io Firenena io. Noraisina ny fepetra eo anatrehan’ny fampahafantaran’ny manam-pahefana Kaomorianina ny 16 oktobra mikasika ny fisiana tranga vaovao indray, ka nandraisan’ny Fanjakana Malagasy ny fepetra mba hiarovana ny vahoaka Malagasy eo anatrehan’ny ambana hipariahan’io valan’aretina tena mamono, ary nandripaka olona maro taty Afrika vao tsy ela, ary miverina mihamafy ao Kaomoro io. Nanomboka ny faran’ny septambra teo, tafakatra 198 ny tranga vaovao tao Kaomoro, raha ny vaovao farany omaly. Naneho moa ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny fa amin’ny maha Firenena manana ny fiandrianany an’i Madagasikara, dia manamafy zony sy adidiny ny miantoka ny filaminana ara-pahasalaman’ny vahoakana. Mihatra hatrany noho izany ny fikatonan’ny sisin-tany amin’io Firenena io mandra-pahafenon’ireo fepetra sy lamina ara-pahasalamana. Ireo sambo mitondra entana stratejika izay tsy azo hihodivirana ihany afaka miditra eto izay tsy maintsy arahi-maso sy manja ireo fepetra napetraka toy ny tsy fahafahan’ny tatsambo mivoaka ny sambo mihitsy. Andaniny, nohamafisina ny fepetra fanaraha-maso ho an’ireo mpandeha fiaramanidina avy amin’ireo firenena rehetra voakasiky ny kôlera, izay efa misy ny fepetra napetraka. Mikasika ny fanokafana ny fifandraisana an’habakabaka amin’i Kaomoro, dia mandeha ny fifampiresahana eo amin’ny governemanta roa tonta mba hisian’ny antoka hahafenoan’ireo fepetra rehetra. Notsipihina kosa fa tsy misy fiantraikany amin’ny fifandraisana ara-pirahalahiana eo amin’i Madagasikara sy ny vondron’ny Nosy Kaomoro ny fanapahan-kevitra, fa misokatra tanteraka ny fifandraisana ara-diplaomatika sy ny fiaraha-miasa. Maneho izany ny Fanjakana fa miaro ny Malagasy amin’ny tsy hidiran’ny kôlera avy any ivelany fa ny zava-misy ato anatiny ve mba tena voajery raha tsy hilaza afatsy ny rano miakatra sy ny loto eto Antananarivo izay tena zava-doza amin’ny fahasalamam-bahoaka sy mety ho fototry ny fipariahan’ny valanaretina maro ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT