Fisorohana ny fidiran’ny kôlera

Nananamafy sy nampahatsiahy ireo fepetra ny ACM


  • Zoma 22 Martsa 2024

Namoaka fampitam-baovao maneho ny fisorohana ny mety ho fiparitahan’ny valanaretina choléra

eto amintsika ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) omaly, ka handraisana ny fepetra eny amin’ireo fiaramanidina. Mbola mihatra avokoa ireo fepetra ara-pahasalamana efa noraisina teo aloha, ho fisorohana ny fidiran’ny aretina kolera eto Madagasikara.
Hentitra araka izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny miasa eny anivon’ny seranam-piaramanidina amin’ny ady atao amin’io aretina io manerana ny Nosy, hoy fanambarana. Mitoetra hatrany ireo toerana manokana hanasàna tanana eny amin’ny toeram-pahatongavan’ny seranam-piaramanidina, ny toerana misy « gel hydro-alcoolique » , ny « tapis » misy ranom-panafody izay mamono ny bakteria sy mikraoba na HTH , ny fitifirana ranom-panafody ireo « bagages à main » sy « bagages en soute». Ohatra amin’ireo toerana mampihatra izany ny seranam-piaramanidina Antananarivo, Mahajanga, Nosy Be, Antsiranana, Toliara, Morondava, Taolagnaro sy ireo zotra avy any amin’ny Nosy La Réunion, Mayotte, Nairobi, Addis Abeba, Johannesburg sy ny maro hafa.
Misy ihany koa ny fanentanana an’ireo mpandeha manoloana ny fitandremana tokony ho ataon’izy ireo mba ho fisorohana hatrany io aretina io. Ankoatra izay, dia miroso amin’ny fanomezana fanafody anaty sokajin’ny antibiotika ho an’ireo mpandeha amina kaompaniam-pitaterana sasany avy any ivelany ny eo anivon'ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Paikady mahomby hanakanana ny fidiran’ny kolera eto amin’ny Nosy ny fifanomezan-tanana sy fiaraha-misalahy an’ireo mpandeha amin’ny sidina sy ireo tompon’andraikitra rehetra, hoy ny ACM. Tsar any mampahatsiahy fa vao 3 andro lasa izay no nisy ny tatitra tatsy amin’ny Nosy Kaomoro, fa 12 no maty ny fiatombohan’ny herinandro teo ary 227 kosa ny tranga. Efa misy ihany koa ny tranga any Seychelles anatin’ny departemanta Frantsay.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT