Fahasalamana

Fisorohana ny Coronavirus Manazava ny saim-bahoaka ny polisim-pirenena


  • Zoma 20 Martsa 2020

Tsy ny vahoaka Malagasy rehetra no mahita sy mihaino ireny haino aman-jery samihafa ireny ka maharaka ny vaovao misy eto amin’ny firenena .

 

 

Midina  eny an-dalam-be mihitsy ary manatona ny vahoaka mizara « flyers » manazava azy ireo ilay aretina « Coronavirus » ny pôlisim-pirenena noho izany  no sady mampahafantatra ny fomba tokony hatao hisorohana ilay trangan’aretina ity koa. Tsy eto an-drenivohitra ihany akory no hanaovan’ny polisim-pirenena izao hetsika izao fa manerana ny faritra eto Madagasikara mihitsy. Tsiahivina fa miresaka mivantana mihitsy izy ireo mba hahazoan’ny isam-batan’olona ity aretina ity tsara sy ny fitrangany ary ny fisorohana azo hatao. Fomba fiasa mendri-piderana sy tokony halain-tahaka ho an'ny rehetra ny tahaka izao.

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT