FISOLOKIANA NY ASAN’NY INFIRMIERA

20 mahery ny fitarainana, tsy hanaiky ny holafitra


  • Alakamisy 25 Janoary 2024

Mihoatra ny 20 isa sahady hatreto ny fitarainana voarain’ny holafitry ny infirmiera eto Madagasikara

manoloana ny fisolokiana ny asan’izy ireo hataon’ny hafa. Any amin’ny faritra no tena ahitana betsaka izany raha araka ny fanazavan’Atoa Jean Aimee Botosera, filohan’ny holafitry ny infirmiera eto Madagasikara toy ny any Sofia, SAVA, DIANA, Itasy, Bongolava. Tsy azo ekena izany hoy izy satria ain’olona no lalaovina izay heverin’ny sasany ho kilalao nefa na ny mitsapa tosi-dra aza tsy hainy akory. Hidina hanara-maso hijery ifotony ny momba izany ny holafitra manomboka amin’ny herinandro ho avy io. Arahin’ny fanofanana ireo infirmiera tena izy izany mba hahafahan’ireto farany manatontosa an-tsakany sy andavany ny asany, raha hisy koa ny fanentanana ny mpiara-belona. Hisy moa ny fepetra horaisina mikasika ireo izay tratra misoloky ho infirmiera any ambanivolo any mba hakana vola aman’olona fotsiny hisorohana ny loza mety hitranga. Mbola misy amin’ireo Renim-pianakaviana sasany rahateo no tsy sahy manatona hopitaly rehefa hiteraka fa miantehitra amin’ireny mpisoloky ireny fotsiny nefa tsy infirmiera akory.
Pati
Legende : Miankina aman’aina sy saro-pady ny asan’ny infirmiera ka tsy azo hanaovana kinanga !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT