FISIANA « VARIANT COVID-19 » VAOVAO

Nanao fandisoana ny Ministeran’ny Fahasalamana


  • Zoma 28 Jona 2024

Niely tao anatin’ny tambajotran-tserasera Facebook andro vitsivitsy izay fa misy Variant na COVID 19

miparitaka indray amin’izao. Tsy vitsy ireo tora-kovitra vokatr’izany ka nametaka arovava orona avy hatrany ankoatra ny fampiasana ny gel famonoana mikraoka. Nitondra fanazavana mifandraika amin’izany omaly ny Dokotera Muruella Christophe eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nambarany fa tsaho ninia naely fotsiny io vaovao io. Gripa mahery ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny vanim-potoanan’ny ririnina no misy amin’izao araka ny nambarany. Na izany aza anefa dia nambarany fa tsy tokony hatao ambanin-javatra izany. Tokony hanao arovava orona sy hampiasa gel avy hatrany ny olona iray hoy izy raha vantany vao mampiahiahy ny fahasalaman’ny olona manodidina azy. Toraka izany koa ny fanatonana dokotera avy hatrany ho an’ny tsy salama hisorohana ny aretina tsy hihombo.
Pati
Legende : Manentana ny olona mba hampiasa arovava orona hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT