FIRAISANA ARA-NOFO

Antonony ny in-droa isan-kerinandro ho an’ny lehilahy


  • Alatsinainy 29 Aprily 2024

Antonony ny fanaovana firaisana ara-nofo in-droa isan-kerinandro ho an’ny lehilahy iray, raha ara-dalana ny toe-pahasalamany raha araka ny fanazavan’ny dokotera iray.

Mety hahafaty tampoka mantsy ny fanaovana firaisana miverimberina ao anatin’ny fotoana iray raha araka ny fanavazan’ity dokotera ity ihany indrindra raha misy tosi-dra ohatra ilay lehilahy ka mihinam-panafody.Alevina anio Alatsinainy 29 Aprily rehefa namoy ny ainy tamin’ny Sabotsy teo ilay lehilahy iray voalaza fa garde pénitentiaire naka vehivavy iray ary diso nanao firaisana be loatra niverimberina. Vokatry ny harerahana nateraky ny faharitan’ny tsiron’aina no nambaran’ny dokotera tany an-toerana fa antony nahafaty azy. Raha araka ny resaka nandeha dia avy namita iraka tany Andapa Ratompokolahy izay vao 43 taona ka mba nararaotra kely niaraka tamin’ny vehivavy sakaizany tao Ambinagny , distrikan’Antalaha. Tsy naharaka izany anefa ny ainy ka izao nihafara tamin’ny fandaozany ny tany izao. Mbola karohina hatramin’ny omaly fotoana nanoratany moa ilay vehivavy niaraka tamin-dRatompokolahy mba hoatao fanadihadiana.
Pati

Legende : Namoy ny ainy tahaka izao Ratompokolahy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT