Birao misahana ny fitantanana sy fiomanana ary fisorohana ny loza voajanahary no antom-pisian’ny BNGRC. Omaly no nahenoana voalohany fa ho loharanom-panovozam-baovao mikasika ny fivoaran’ny aretina pesta ihany koa izy.
Fanontaniana mipetraka isan-taona hatrany isaky ny antomotra na mihatra ny loza voajanahary isan-karazany eto amin’ny firenena hoe aiza ireo andraikitra fiomanana isan-karazany maha BNGRC azy no toa rehefa mihatra hatrany ny loza vao heno. Mba nanao ahoana no niafaran’ireny tsy manan-kialofana voatery natoby tamina toerana iray tanaty trano lay nandritry ny fotoana voafetra noho ny rivodoza farany teo ireny? Maro tamin’izy ireny no efa nitaraina mialoha fa efa tsy azo niverenana intsony ny fonenany, raha tsiahivina. Tonga teny amin’ny BNGRC tetsy Antanimora ny praiminisitra sy ny solontenan’ireo minisitera voakasika nampahafantatra tamin’ireo haino aman-jery ny sabotsy teo fa hanome vaovao tsy tapaka ihany koa ny BNGRC.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.