Fahasalamana

Fiparitahan’ny loto eto an-drenivohitra Handray fepetra hentitra ny CUA


  • Talata 03 Oktobra 2017

Ho fitandroana ny fahadiovana eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra (CUA) dia handray fepetra hentitra ny fiadidian’ny Kaominina manoloana ireo loto miparitaka sy fako rehetra manerana ny Renivohitra.

 

 Tafiditra ao anatin’izany  avokoa ny  mpivarotra entana eny amoron-dalana, ny mpivarotra hani-masaka eny hatramin’ireo olon-tsotra eny anivon’ny Fokontany minia manary fako sy  , manao maloto  eny rehetra eny. Toraka izany koa ireo  manentsina lakan-drano sy ny tatatra  ary ireo manaparitaka feno eny an’ elakelan-trano.Ireo sarety  sy kalesy tsy manara-dalàna na ireo olona na fiara tsy manaraka ny lalànan’ny fifamoivoizana toy ny fiampitana amin’ny faritra voatokana na “Passage Zébré” dia ho voakasika ihany koa.Aorian’ny fanentanana dia hisy avy hatrany  ny sazy ampiharina  mifandraika amin’ izany, araka ny lalàna manan-kery efa misy.Hisy ihany koa ny fanaraha-maso hataon’ny  “Inspecteur d’Hygiène”  eny ifotony.Marihana  moa fa efa misy ny toerana voatokana amin’ireny fanariam-pako sy ny fanaovana maloto ireny, koa entanina isika  rehetra mba hanaraka ny fitsipika efa napetraka .Manantena ny fahatsiarovan-tenan’ny tsirairay  ihany koa ny Kaominina Antananarivo Renivohitra satria soa iombonantsika izany.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT