Fipariahan’ny valanaretina

Nampikorapaka ilay naoty mandrara ny fivorivoriana


  • Zoma 12 Janoary 2024

Niteraka adihevitra sy fanontaniana maro samihafa ny « note circulaire »

navoakan’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka mitondra ny datin’ny 10 janoary 2024 teo. Io naoty io izay mandrara ny fanaovana hetsika mety hiteraka fivorivoriana sy fitangoronana mandritra ny vanim-potoanan’ny valanaretina. Eo anatrehan’ny ady atao amin’ny fipariahana valanaretina amin’ny ankampobeny, fa indrindra ny valanaretina « conjonctivite » manokana, dia laharam-pahamehana ny fanajana ireo fepetra sakana, hoy io taratasy io. Notsiahivina ho an’ireo tompon’andraikitra rehetra mikarakara hetsika mety hiteraka fitangoronana be fa voarara izany amin’ny fotoanan’ny valaratina, ka anisany io areti-maso ankehitriny. Nitosaka avy hatrany ny fanehoan-kevitra hoe : voasakana avokoa ohatran’ny tamin’ny coronavirus ve izany ny endrika fivoriana sy fitangoronana samihafa toy ny fianarana any an-tsekoly, fivoriam-pivavahana any am-piangonana, ny tsena izay raha ny any ambanivohitra dia matetika indray mandeha isan-kerinandro,… eny fa na io fampitangoronan’olon amin’ny jiron’akoho io aza. Betsaka no nikorapaka hoe : miverina ao anatin’ny hamehana indray ve izany i Madagasikara ? Tena tsy nazava ary nampikorontana saim-bahoaka ilay naoty tsy mazava. Efa ny takariva vao nisy fanazavana fa ireo hetsika eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izay mety hamory vahoaka toy ny fitsaboana faobe no voakasik’io. Ireo hetsika toy ny fivoriana, fety (…) izay ivelan’ny minisitera dia tsy voakasik’izay. « Mila mitandrina araka izany ary mampihatra ireo fepetra amin’ny fanasana tanana sy savony », hoy ny fanazavana tamin’ny alalan’ny Dr Emmanuela Randriamahatana. Nametrahana toeram-panasana tànana ny fiantsonan’ny fiara sy ny tobim-pahasalamana any Mahajanga. « Tsy mahafaty ity areti-maso ity, mateti-pitranga aorian’ny fandalovan’ny rivodoza sy gripa mahery vaika. Entanina ny tsy hanaovana dokotera tena mba tsy hampidi-doza satria ny maso saro-pady. Tsy ny aretina no mety hahajamba fa ny zavatra atao eo anatrehan’ny aretina. Mandeha ny fanadihadiana hamantarana ny antony nampiparitaka tampoka ity aretina ity », hoy ny fanazavana. Isan’ny mampirongatra ny valanaretina toy ny pesta, ny fivalanana,… ny loto sy fako eraky ny tanàna tahaka io miseho eto Antananarivo io ka aiza ny fandraisan’andraikitra ny Fanjakana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT