Fipariahan’ny Mpox

Manamafy ny fampitandremana ny Fanjakana


  • Alarobia 04 Febroary 2026

Namoaka fampitandremana

ho an’ny vahoaka ny manam-pahefana ara-pahasalamana mba hitandrina fatratra hatrany manoloana ny fihanaky ny aretina Mpox, indrindra ireo manana toe-tena marefo izay mety ho tratry ny fahasarotana lehibe. Hatramin’ny alatsinainy 2 febroary 2026 dia voamarina ny fisian’ny tranga ahiahiana vaovao 16 sy tranga voamarina 4, ka 2 teto Antananarivo ary 2 tao Maintirano. Hatramin’ny 17 Desambra 2025, voamarina ny fisiana tranga 233 manerana an’i Madagasikara, tranga 207 voahilika ho tsy izy taorian’ny valin’ny laboratoara ary tranga 191 no mbola ahiahiana na azo inoana. Nambara fa ny endrika mafy amin’ity aretina ity dia miseho amin’ny fiharatsian’ny soritr’aretina mahazatra, fahasimban’ny hoditra sy ny lalan-tsakafo amin’ny ambaratonga henjana, tazo avo, fahasemporana amin’ny taovam-pisefoana, ary fahasarotana toy ny meningite, encéphalite, conjonctivite na ulcération de la cornée izay mety hitarika fahajambana. Voakasika bebe kokoa amin’izany ny ankizy latsaky ny dimy taona indrindra ireo tratry ny tsy fahampian-tsakafo, ny vehivavy bevohoka ary ny olona manana fahalemena ara-piarovana, ka ny fahatarana amin’ny fitsaboana dia mety hampitombo ny fahasarotan’ny aretina. Manoro hevitra ny manampahaizana mba hanatona haingana ny toeram-pitsaboana raha vao miseho ny soritr’aretina ary tsiahiviny ny maha-zava-dehibe ny fanarahana hentitra ny fepetra ara-pahadiovana sy ny fanalavirana, indrindra ho fiarovana ny vondrona marefo. Miantso ny rehetra mba hanana fahavononana sy fitandremana, hanaraka ny toromarika ara-pahasalamana ary hanampy amin’ny fiarovana ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra tsirairay moa ny manam-pahefana. Tena betsaka ny ambana hisian’ny fipariahan’ny aretina amin’izao vanim-potoana izao, indrindra noho ny fisiana fitangoronana na fivangongoana tsy azo ialana any amin’ny toerana misy traboina ireny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT