Fahasalamana

Fiovaovan’ny toetr’andro Mamely ny kohoka sy aretin-tratra


  • Zoma 01 Aprily 2022

Tafiditra eo anelanelan’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra sy ny ririnina isika izao. Miovaova be ihany ny toetr’andro vokatr’izany ka mety mafanabe indraindray nefa mety mangatsiaka be tampoka ihany koa.

Vokatr’izay toetr’andro izay raha araka fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina dia manomboka mahazo vahana eto amintsika ny aretin’ny taovam-pisefoana. Anisan’ireny ny kohoka izay tena mamely ny ankizy tokoa arahin’ny sery sy ny gripa mahery. Misy sempotra mihitsy ny ankizy. Vahaolana aroson’ny dokotera Fidy araka izany ny tokony hampanaovana akanjo mafana hatrany ny ankizy hatao mifanaraka amin’ny toetr’andro. Ezahina ihany koa ny tsy hahatraran’ny orana ny ankizy mpianatra ho fiarovana ny toe-pahasalamany ka tokony hisy hatrany ny akanjo aro orana any anaty kitapony. Tokony ho tratran’ny andro sy ny rivotra ihany koa ao an-tokantrany hoy hatrany ity dokotera iray ity. Mety hampikohoka mantsy ny trano maimbo lao sy mihibokiboka hoy hatrany izy. Farany izay tsy kely akory dia nomarihiny manokana fa tokony omena sakafo ara-pahasalamana hatrany ny zaza arahin’ny fisotroana rano azo antoka betsaka isan’andro.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT