Fahasalamana

FILAN-DRA Efa tena ampy ho antsika eto Antananarivo


  • Talata 02 Mey 2017

Tsy manana olana ny amin’ny tsy fahampian-dra intsony amin’izao fotoana ny eo anivon’ny Centre National de Transfusion Sanguine etsy amin’ny hopitaly HJRA.

 Efa ampy ny filana, hoy ny dokotera Andriamitantsoa Julien, mpandrindra ny fanomezan-dra eo anivon’ity sampandraharaha iray ity na dia mahatratra 80 ka hatramin’ny 100 paosy isan’andro aza ny filana ho antsika eto Antananarivo. Nomarihiny fa misy ireo olona manana sokajin-dra tena sarotra tadivina izay tsy eto amintsika ihany fa manerana izao tontolo izao mihitsy toy ireo manana ny sokajin-dra  miiba rehetra toy ny 0-,B-, A- ary ny AB- izay hiarahan’izy ireo miasa manokana amin’ireo olona manana ireo sokajin-dra ireo ka antsoina an-telefaonina ireto farany rehefa tsy maintsy ilaina. Tsy vidiana ny ra, hoy ity dokotera iray ity fa maimaimpoana.  Ho an’ireo olona marary eny anivon’ny hopitalim-panjakana dia  nambarany fa  tsy andoavam-bola ny fakana paosin-dra eo anivon’ny CNTS saingy tsy maintsy mitondra olona mba hanolo ilay fianakaviana manana ny tsy salama. Raha paosin-dra iray, ohatra, no ilaina dia olona roa no entina. Ho an’ireo manana ny tsy salama, miteraka na tsaboina eo anivon’ny hopitaly tsy miankina kosa dia tsy maintsy mandoa vola 85.000 Ar izy ireny ho an’ny paosin-dra iray ho saran’ireo kojakoja rehetra nampiasaina tamin’izany. Tonga nanome ra tao an-toerana ny faran’ny herinandro teo ny Firaisamben’ny Sendikan’ny Mpiasa Malagasy revolisionera.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT