Fahasalamana

Filaharam-be eny amin’ny farmasia Be mpitady ny fanafody aty sy vavony


  • Alarobia 14 Aprily 2021

Saika ahitana filaharana avokoa ny toeram-pivarotam-panafody eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao.

 

 Miisa 20 raha kely ny olona milahatra amina ivon-toerana iray ka ankoatra ny fanafody mampiakatra hery fiarovana dia anisan’ny tena be mpitady ihany koa amin’izao ny fanafody vavony sy aty raha araka ny resaka nifanaovana tamina farmasianina iray. Amin’ny ankapobeny mantsy dia saika ireo taova ao anatiny no tena henjehin’ilay viriosy mahery vaika miparitaka eto amintsika amin’izao ka saika samy miezaka miaro tena avokoa ny rehetra. Mba ho fitsinjovana ny mpanjifa anefa hoy hatrany ity farmasiana iray ity dia tsy maintsy ferana ihany ny fanafody azo omena azy ireny fa tsy izay tadiaviny akory. Betsaka ihany koa mantsy ny manararaotra manangona amin’izao. Ny tahirim-panafody anefa mihamanify. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana izy ireny araka izany ny mba hamatsiana fanafody eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fiaramanidina hisorohana ny mety hisian’ny fahatapahan’ny famatsiana tanteraka.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT