Fahasalamana

Fikarohana tany Singapour Miseho amin’ny endrika "Dengue" ny Coronavirus


  • Alatsinainy 04 Mey 2020

Afaka miseho ho tahaka ny aretina dengue izay azo avy amin’ny kaikitry ny moka ny coronavirus, hoy ny mpikaroka any Singapour.

 

Miseho amin’ny endrika fanaviana sy ny karazana hidihidy amin’ny vatana, ary tsy miseho ny covid-19 amin’ny andro voalohan’ny faharariana. Nisy lehilahy 57 taona tena nanavy be, ary nikohaka. Nihena be ny “plaquettes sanguins” karazana singa sy rà nikoriana tamin’ny vatany, kanefa tsy nisy natahorana raha ny fitiliana tamin’ny resaka taovam-pisefoany. Tsy nisy soritra dengue raha notiliana fa dia  “negatif” .Voamarina  kosa anefa  fa mitondra ny tsimokaretina covid-19ity lehilahy ity. Nisy vehivavy 57 taona ihany koa tratry ny tranga tahaka izany. Raha ny fikarohana nataon’ny Social Science Research Network (SSRN) any Wuhan Chine ihany koa dia miseho amin’ny endrika gripa ny coronavirus. Mety hiovaova hatrany amin’ny in-32 izy, raha ny fanazavana efa nentina manam-pahaizana eto amintsika, ka mety ho isan’ny endrika isehoany izany ny Dengue sy ny Gripa. Eto amintsika izay efa misy dengue any Mahajanga, izay mampitombo ny ahiahy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT