Fahasalamana

Fikarohana sy Fitsaboana Fa nankaiza ilay fitaovam-pisefoana "100% Vita Malagasy" ?


  • Alakamisy 29 Aprily 2021

Nankaiza ? Izay no fanontaniana eny am-bavan’ny maro te hahafantatra ny tohin’ilay vokatra hitan’ny RespiMada herintaona lasa izay,

 

 

 hanampy amin’ny fitsaboana ireo marary manana olana amin’ny fisefoana. Nahavita fitaovam-pisefoana artifisialy izay “100% Vita Malagasy” ny RespiMada; fikambanana ivondronana manampahaizana toy ny injeniera, dokotera ary orinasa mpanohana. Ny faramparan’ny volana mey taona 2020 no nanolorana sy nanandramana azy ampahibemaso teo anivon'ny hopitaly HJRA sy ny SARM (Société d'Anesthésie et Réanimation de Madagascar). Izy io dia fitaovana mamelon'aina rehefa sendran'ny olana ara-pisefoana, indrindra amin'izao toe-draharaha sarotra noho ny Covid-19 izao. Nahazo ny fankasitrahan’ny Prof. Vololontiana Hanta Marie Danielle, Sojaben’ny Fakiolten’ny sampana Fitsaboana eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo ny RespiMada noho io voka-pikarohana vita io, izay hanampy betsaka amin’ny fitsaboana ireo marary manana olana amin’ny fisefoana, toy ny olona voan’ny sohika, manana tosidra sy ireo tsy mahatsiaro tena arahi-maso ara-pahasalamana any amin’ny trano fameloman’aina. « Mankasitraka ny amin'ny fanohananareo tamin’ny nahavitana ny vokatra santatra, ary mbola mila ny fanohananareo izahay », hoy ny ekipan'ny RespiMada taorian’ny nanehoany izany fitaovana izany. Herintaona aty aoriana, mangingina ny amin’io fitaovam-pisefoana artifisialy “100% Vita Malagasy” io. Nahazo fanohanana ara-bola ve hitohizan’ny tetikasa sy hanatsarana ny vokatra ? Nisy orinasa niditra ho amin’ny famokarana maro izany fitaovana izany ve teto an-toerana ? Firy isa izao ny “respirateurs” RespiMada vita ary aiza avy ireo hopitaly efa mampiasa ity vokatra malagasy ity ? Etsy ankilany ny fanjakana, dia nanafatra “concetrateurs” 2400 isa avy any Shina tamin’ny taon-dasa, ary mbola niampy 2000 vao noraisana ofisialy teny amin’ny seranam-piamanidina iraisam-pirenena Ivato, omaly. Vola amina miliara no nivoaka tamin’izany, nefa misy azo natao ihany teto Madagasikara.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpitsabo nentim-paharazana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

«Mitaraina ho tian’ny olafitry

  • TONGA HATRANY
  • Talata 28 Aprily 2026

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

  • Dokotera mpitsabo biby
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Tena antoky ny fanajarian-tsakafo sy ny fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT