Fahasalamana

Fikarohana ireo voan’ny pesta Tsy andraikitray, hoy ny fanjakana


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2017

Mahatratra 24 no maty hatramin’ny fiandohan’ny volana aogositra, ary 101 ny trangana valan’aretina pesta voamarina,

 raha ny fanazavan’ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana Dr Manitra Rakotoarivony omaly. Tsy mifidy olona hasiana ny pesta, ary aoka aloha izay ny fivorivoriana na ao anaty efitrano na eny ankalamanjana, hoy io tompon’andraikitra io. Mifandraika amin’izany, dia samy nihazakazaka nanao fampilazana amin’ny gazety ny amin’ny fanajanonana ireo hetsika ara-javakanto avokoa ny ankamaroan’ireo mpikarakara, mba tsy hisian’ny hetsika mety hivorian’ny olona. Najanona, ohatra, ny Madajazzcar, ny fampisehoan’i Lalatiana, ny Dago Festival … Ho an’ny tsirairay, dia manamafy ny minisiteran’ny fahasalamana fa voafehy ny aretina. Mandray andraikitra ny fanjakana rehefa misy ny trangana pesta tonga eny amin’ny toeram-pitsaboana, hoy hatrany ny Dr Manitra Rakotoarivony. Tsy andraikitry ny fanjakana kosa ny fitadiavana ny olona voan’ny pesta, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Izay mahatsiaro fa misy ilay soritr’aretina, dia manatona tobim-pahasalamana, ary tsy tokony hisy ny fanaovana dokotera tena. Rehefa misy ny fahafatesana tahaka izao, dia misy ny fepetra tokony hapetraka amin’ny tsy tokony hitondrana any am-pasan-drazana ny olona matin’ny pesta, ary tokony hanaja sy hanaiky izany ny rehetra, toy ny hoe tsy misy ny fotoam-pandevenana iraisana ary hatao anirotra sy tsy azo kitihina mandritra ny 7 taona ny razana. Momba ny fanentanana ara-pahasalamana kosa dia hisy ny toromarika homena ny CISCO sy ny ZAP eo amin’ny rafi-panabeazana, ka hisy ny fiofanana momba ny trangana pesta, ary ireo no hitondra hafatra any an-tokantrano. Mila mailo ihany koa ny amin’ny fahadiovana, toy ny fisakafoanana eny rehetra eny. Tokony hohamorain’ny fanjakana ihany koa ny fizarana tampim-bava ho an’ny rehetra. 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT