Fahasalamana

Fikarohana ara-pitsaboana Nahitana fivoarana i Madagasikara


  • Alarobia 23 Febroary 2022

Ny 14-18 febroary lasa teo nanao fitsidihana teto Madagasikara ireo ekipan’ny Rafitra maneran-tany momba ny fahasalamana (OMS) nahitana ny Comité consultatif régional d’experts

sur la médecine traditionnelle pour la riposte à la Covid-19 (REACT), ny CDC Afrika,… nihaona sy nidinika tamin’ireo manam-pahefana ara-politika teto sy ara-pahasalamana, ara-tsiantifika momba ny fampivoarana ny “CVO Plus curatif” mba hitsaboana ny covid-19. Hatramin’ny nahitana ny covid-19 ny martsa 2020 ireo rafitra nasionaly ara-pikarohana momba ny fahasalamana no niketrika sy niasa momba ny fikarohana ara-pitsaboana. Nambara fa nisy ny fomba fitsaboana na « protocole » mifandraika ain’ny fikarohana ara-klinika napifanarahana tamin’ny « Protocole » lasitra novolavolain’ny OMS sy ny mpiara-miombon’antoka, ary nambara fa nankatoavin’ny REACT izay navadika ho asa mba hanombanana ny kalitao, ny voka-dratsy na « ennocuité » sy ny fahombiazana na « éfficacité » ho an’ny Covid-Organics, avy eo ny CVO Plus Curatif niainga tamin’ny zava-maniry sy fitsaboana nenti-paharazana. Isan’ny manana toerana lehibe amin’ny resaka fikarohana ara-klinika ny CNARP (Centre National d'Application de Recherches Pharmaceutiques), izay manana mpikaroka ampy traikefa sy fotodrafitrasa mifandraika amin’izany. Niarahaba ny fivoaran’i Madagasikara ezaka fanarahana ny fepetra ara-pikarohana sy ara-pitsaboana, miainga amin’ny zava-maniry, ny andrana « précliniques » sy « cliniques », ny famokarana,… ny Pr Motlalepula Gilbert Matsabisa, Filohan’ny REACT. Efa 76 ny fanafody niainga tamin’izany, nankatoavian’ny l’Agence du Médicament de Madagascar, ary ny 26 amin’ireo no voasoratra ao anatin’ny lisitra nasionalin’ireo fanafody manan-danja ho an’ny fitsaboana ireo karazan’aretina mpitranga matetika, toy ny tazomoka, diabeta, fiakaran’ny tosi-drà,... Momba ny covid-19, isan’ireo firenena 9 nampiasa ny fitsaboana nenti-paharazana. Nisy ny teboka miabo, fa misy fanatsarana takiana momba ny CVO+, ka anisany ny dingana ny « étude multicentrique », hoy ny OMS.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT