Fahasalamana

Fikarakarana marary Ifandrombahana hatramin’ireo Paramedy miasa tena


  • Alarobia 28 Aprily 2021

Tanora Paramedy maromaro no nisafidy ny hiasa tena ary nanao tolotra ho fanomezan-tanana

 

 

 

 ireo fianakaviana manana marary tsaboina ao an-trano nefa tsy ampy na tsy misy mpikarakara na koa ireo tsy tafiditra eny amin’ny hopitaly, indrindra manoloana izao firongatry ny valanaretina coronavirus izao. Mivondrona anaty fikambanana “Soins Infirmiers à Domicile” izy ireo, misy roapolo mahery eo, fikambanana mijoro ara-panjakana nanomboka ny taona 2018 ahafahan’izy ireo miasa ara-dalàna. Anisany tolotra omen’ireto Paramedy mahaleotena ireto ny manindrona, mametaka seraoma, manao “pansement” sy izay fikarakarakana mahakasika ny marary any an-trano eny fa hatramin’ny “garde malade” sahanin’izy ireo avokoa. Ifandrombahana ary tototry ny asa ireto Paramedy mahaleotena ireto ankehitriny, tamin’ny tafa fohy nifanaovana tamin’izy ireo. Misy amin’izy ireo aza no voan’ny covid mihitsy vokatry ny fifampikasohana amin’ireo mararin’ity valaretina ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT